| Ny tanjona |
|
|
Hamolavola mpianatra ho tia karokaroka sy hanana fahaiza-manao ampy hoentiny manatanteraka ny nofinofiny ka hitondra avo an’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana no tanjon’ny fanovana ny rafi-panabeazana. Ny teny ifanomezana fahatelo ao amin’ny Madagasikara Am-Perinasa (MAP) dia mamaritra mazava ny tanjon’i Madagasikara raha nanova ny rafi-panabeazana misy ao aminy izy. “ Hanangana lamim-pampianarana avo lenta isika, na eo amin’ny lafiny kalitao, na eo amin’ny fahombiazana. Izany lamim-pampianarana izany dia handrisika ny mpianatra ho tia karokaroka ary hanampy azy hanatanteraka ny nofinofiny. Hanana ny olona ilaina i Madagasikara hahafahany mifaninana amin’ny firenena hafa ary hahatonga azy ho mpandray anjara mahomby eo amin’ny toe-karena iraisam-pirenena “. Fanamby efatra no napetratsika hahatrarana io tanjona io : - Fampivelarana ny ankizy rehetra alohan’ny fidirana an-tsekoly, - Fananganana rafi-panabeazana fototra mahomby, - Fananganana kôlejy filamatra, - Fiadiana amin’ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra. Tanjon’ny rafi-panabeazana fototra vaovao ny: - Hananan’ny ankizy hakingana momba ny vakiteny sy ny matematika ary fahalalana sy fahaiza-manao ilaina eo amin’ny fanohizany ny fianarany; - Hahatonga ny ankizy ho kinga sy tia mianatra, ka hanana toe-tsaina mahay mitsikera, ho olom-pirenena mahay mandray zava-baovao sady mahay mandanjalanja eo anivon’ny fiaraha-monina misy azy. Rehefa mahavita ny dingana voalohany ny ankizy dia tokony: - Hahafehy ny tenim-pirenena sy ny teny vahiny; - Hanana fahalalana fototra sy fahaiza-manao amin’ny matematika sy ny siansa sôsialy; - Ho tia mianatra. Ny fanabeazana fototra dingana faharoa dia natao: - Hanofanana ny tanora hahafahany miditra amin’ny tontolon’ny asa na hanohy fianarana ambony; - Hampiroboroboana ao amin’ny tanora tsirairay ny fahaizana mamakafaka sy mikaroka amin’ny fanomezana azy ny fahalalana sy fahaiza-manao fototra mba hahafahany manapa-kevitra sy mamaha olana eo amin’ny fiainany sy eo amin’ny asany. |
| < Précédent | Suivant > |
|---|

