| Ny rafitra |
|
|
Lamina vaovao no apetraka eo anivon’ny ministera hanamorana ny fanatanterahana ny fanovana ny rafi-panabeazana. Efa voafaritra mialoha ny andraikitra tokony horaisin’ny ambaratonga sy ny foibem-pitondrana tsirairay, ary voafaritra tsara tahaka izany ny vokatra andrasana aminy. Lamina vaovao no napetraka teo anivon’ny ministera hanamorana ny fanatanterahana ny fanovana ny rafi-panabeazana. Anisan’izany lamina izany ny : - Fametrahana ny rafitra UAT-EPT; - Fametrahana rafitra mpandrindra sy mpitarika ireo mpiombona antoka; - Fananganana ireo DREN 22 izay miantoka ny fanatanterahana ny pôlitikan’ny Fanjakana manaraka ny fenitra sy ny tanjon’ny paikady voafaritra manaja ny zava-misy isam-paritra. Ity kisary manaraka ity no maneho ny fandaminana eny anivon’ny ministera sy ireo rafitra rehetra misy hisian’ny fanaraha-maso sy fanaovana tombana ezaka mahomby. (schéma p.9 du guide tableau annexe 1) Efa voafaritra mialoha, araka ity tabilao manaraka ity, ny anjara andraikitra isan’ambaratonga sy ny vokatra andrasana amin’ny foibem-pitondrana tsirairay. |
| < Précédent | Suivant > |
|---|

