|
Ny pôlitikam-panjakana momba ny fanabeazana fototra |
|
|
Araka ny teny ifanomezana fahatelo ao amin’ny Madagasikara Am-Perinasa (MAP) : “Hanangana lamim-pampianarana avo lenta isika, na eo amin’ny lafi ny kalitao na eo amin’ny fahombiazana. Izany lamim-pampianarana izany dia handrisika ny mpianatra ho tia karokaroka ary hanampy azy hanatanteraka ny nofi nofi ny. Hanana ny olona ilaina i Madagasikara hahafahany mifaninana amin’ny fi renena hafa ary hahatonga azy ho mpandray anjara mahomby eo amin’ny toe-karena iraisam-pirenena”.
Ireo fanamby mifandraika amin’ny MAP dia : • Manome fampivelarana ny ankizy rehetra alohan’ny fidirana an-tsekoly • Manangana rafi tra fanabeazana fototra mahomby • Manangana Kôlejy Filamatra • Miady amin’ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra Ny rafi -pampianarana vaovao ho an’ny dingana voalohany dia natao mba hahafahan’ny ankizy : • Manana hakingana momba ny vakiteny sy ny matematika ary fahalalana sy fahaizamanao ilaina amin’ny fanohizany ny fi anarany • Mba ho mpianatra kinga sy tia mianatra, manana toe-tsaina mahay mitsikera, ho olompirenena mahay mandray zava-baovao sady mahay mandanjalanja eo anivon’ny fiarahamonina misy azy Ny tanjon’ny fanabeazana fototra : Ho an’ny dingana voalohany • Fahafehezan’ny ankizy tenim-pirenena sy teny vahiny • Fananan’ny ankizy ireo fahalalana fototra, sy fahaiza-manao amin’ny matematika sy ny siansa sôsialy • Fampivelarana ny fi tiavana mianatra Ho an’ny fanabeazana fototra dingana faharoa : • Fanofanana ny tanora hahafahany miditra amin’ny tontolon’ny asa na hanohy fanabeazana ambony • Fampiroboroboana ao amin’ny tanora tsirairay ny fahaizana mamakafaka sy mikaroka amin’ny fanomezana azy ny fahalalana sy ny fahaiza-manao fototra mba hahafahany manapa-kevitra sy mamaha ny olana eo amin’ny fi ainany sy eo amin’ny asany
|