TAREHIMARIKA SAMIHAFA : Ho an’ny dingana voalohany • Amin’ny taona 2010 dia miditra ao amin’ny taona voalohany amin’ny fanabeazana fototra dingana voalohany daholo ny ankizy feno 6 ka hatramin’ny 7 taona rehetra, • Amin’ny taona 2015 dia hanakaiky ny 100% ny taham-pahavitan’ny mpianatra ny 5 taona voalohany amin’ny dingana voalohany ary ho 65% ny fahavitany ny 7 taona, • Atao izay hahazoan’ny mpianatra rehetra ny fahaiza-manao sy ny hakingana voafaritra isaky ny fiafaran’ny dingana, • Amin’ny taona 2015, dia hihena ho 5% ny tahan’ny famerenan-taona ho an’ny dingana vaovao 7 taona. Ho an’ny fanabeazana fototra dingana faharoa Amin’ny taona 2015 dia : • Mpianatra 728 000 no ho afaka mianatra eny amin’ny kôlejim-panjakana sy tsy miankina nohavaozina, • Ampitomboina ny salan’isa takina amin’ny fanadinana famaranana ny dingana faharoa (BEPC), • Tokony hihena ho latsaky ny 15 % ny tahan’ny fitsoahana an-daharana izay 30 % amin’izao fotoana izao, • Tokony hilatsaka ho 10% ny tahan’ny famerenan-taona izay 25 % teo aloha.  FANAPAHAN-KEVITRA PÔLITIKA LEHIBE : • Ho an’ny dimy taona voalohany ao amin’ny ambaratonga voalohany dia ny MALAGASY no teny enti-mampianatra mba hahafahan’ny ankizy mampivelatra ny fahaizamanaony amin’ny sehatra rehetra, • Ny teny FRANTSAY dia ampianarina amin’ny maha teny vahiny azy ary hiova miandalana ho teny enti-mampianatra ny taranja siansa sy teknôlôjia ao amin’ny taona faha 6 sy faha 7, • Ny teny ANGLISY dia azo atomboka ao amin’ny taona faha 4, ary tsy maintsy ianarana ao amin’ny taona faha 6 sy faha 7, • Tsy tokony hisy ankizy ho voailika amin’ny sekoly fanabeazana fototra noho ny tsy fahafahan’ny ray aman-dreniny mandoa ny anjarany amin’ny fampandehanana ny sekoly.
NY FIRAFITRA VAOVAO HO AN’NY FANABEAZANA FOTOTRA :
|