MOMBA NY RAY AMAN-DRENY Convertir en PDF
• Inona no fepetra raisin’ny Fanjakana hoenti-manohana ny fanovana ho 7 taona ny fanabeazana fototra ?
Ireto avy :
- fanamboarana efi trano fianarana,
- fampirisihana ny ray aman-drenin’ny mpianatra hampianatra ny zanany raha vao feno 6 taona,
- Famolavolana fandaharam-pianarana vaovao,
- Fanofanana ny mpampianatra ESS,
- Fampitaovana ny sekoly toy ny boky, dabilio, …
- Fanohizana ny ezaka fanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny : kitapo sy fitaovam-pianarana, fanafoanana ny saram-pisoratana anarana, fampitomboana ny vola fanampiana ho an’ny mpampianatra FRAM, …

• Hisy fanovana ve ny ahafahana miditra taona voalohany any amin’ny dingana voalohany ?

Tsia.

• Hosaziana amin’izay ve ny ray aman-dreny tsy mandefa ny zanany mianatra ?

Andraikitry ny ray aman-dreny ny mandefa ny zanany mianatra satria zon’ny ankizy izany.
 
< Précédent
 
Copyright 2008 By Kboss Studio - Média Ressources