| MOMBA NY RAY AMAN-DRENY |
|
|
• Inona no fepetra raisin’ny Fanjakana hoenti-manohana ny fanovana ho 7 taona ny fanabeazana fototra ? Ireto avy : - fanamboarana efi trano fianarana, - fampirisihana ny ray aman-drenin’ny mpianatra hampianatra ny zanany raha vao feno 6 taona, - Famolavolana fandaharam-pianarana vaovao, - Fanofanana ny mpampianatra ESS, - Fampitaovana ny sekoly toy ny boky, dabilio, … - Fanohizana ny ezaka fanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny : kitapo sy fitaovam-pianarana, fanafoanana ny saram-pisoratana anarana, fampitomboana ny vola fanampiana ho an’ny mpampianatra FRAM, … • Hisy fanovana ve ny ahafahana miditra taona voalohany any amin’ny dingana voalohany ? Tsia. • Hosaziana amin’izay ve ny ray aman-dreny tsy mandefa ny zanany mianatra ? Andraikitry ny ray aman-dreny ny mandefa ny zanany mianatra satria zon’ny ankizy izany. |
| < Précédent |
|---|

