MOMBA NY MPAMPIANATRA Convertir en PDF
• Ho ampy ve ny mpampianatra ?
Efa nisy fandraisana mpampianatra 2800 hitazona ny taona faha 6 sy faha 7 izay miofana any amin’ny CRINFP nanomboka tamin’ny volana nôvambra 2007 hatramin’ny volana aogositra 2008.

• Iza no hanofana ny mpampianatry ny fanabeazana fototra dingana faharoa tsy miankina ?

Efa misy fi araha-miasa eo amin’ny INFP sy ny Foibem-pitondrana nasiônaly misahana ny sekoly tsy miankina momba an’io.

• Ahoana no hiatrehan’ny mpampianatra ny fanovana ?

Homena fi ofanana mifandraika amin’izany ny mpampianatra ny taona voalohany amin’ny volana aogositra ary hotohizana izany fi ofanana izany any amin’ny rafi try ny tambanjotry ny mpampianatra.

• Ho aiza ireo mpampianatra am-perinasa ankehitriny ?

(mpampianatra kilasy faha 6 amin’izao)
Ny mpampianatra manana CAP/CEG dia hijanona any amin’ireo fanabeazana fototra dingana faharoa vaovao na ny Kôlejy Filamatra. Izay manana bakalôrea dia hampianatra any amin’ny taona faha 6 sy faha 7. Hanaraka fi ofanana mitohy izy ireo.

• Hampianatra inona izy ireo satria ankehitriny dia mampianatra taranja iray na roa izy ?

Omena fi ofanana izy ahazoany tsanganana mitovy amin’ny mpampianatra ESS.

• Iza no hampianatra any amin’ny taona faha 6 sy faha 7 vaovao ?

Ny mpampianatra ESS voaofana hampianatra na taranja literera na taranja siantifi ka.

• Hisy fandraisana mpampianatra vaovao ve ? Inona no fepetra takiana?

Hisy fandraisana mpampianatra vaovao hatrany. Fananana bakalôrea no takiana.

• Mahazo mampianatra any amin’ny kilasy faha 6 sy faha 7 vaovao ve ny mpampianatra FRAM ?

Raha mahafeno ny fepetra takina voalaza etsy ambony.

• Mahazo mampianatra any amin’ny kilasy faha 6 sy faha 7 vaovao ve ny mpampianatra mpiasam-panjakana ao amin’ny dingana voalohany amin’izao fotoana izao ?

Raha mahafeno ny fepetra takina voalaza etsy ambony.

• Samy hafa ve ny satan’ny mpampianatry ny dingana voalohany ankehitriny sy ny an’ny kilasy faha 6 sy faha 7 vaovao ?

Eny.

• Hisy fandaharam-piofanana manokana ho an’ny mpampianatra ve ? Rahoviana ?

Eny, araka ny fandaharam-pianarana vaovao.

• Hahazo fi ofanana sy fanampiana hoenti-mandray ny fanovana avokoa ve ny mpampianatra rehetra ?

Eny.

• Iza no mpampiofana ary inona no fandaharana sy votoatin’ny fiofanana ?

Ny mpampiofan’ny CRINFP no mampiofana manaraka ny fanovana.

• Hisy rafi -panombanana ny vokatry ny fiofanana ve ? Ahoana no hanatanterahana azy ? Inona no mety ho vokatr’izany ?
- Mpampianatra FRAM : misy endrika maromaro isehoan’ny fanombanana eo ; raha mahomby izy dia hisy akony amin’ny karamany izany.
- Mpampianatra ESS : hisy fanombanana amin’ny fi afaran’ny taom-piofanany.

• Ho hain’ny talen-tsekoly ve ny hitantana ny satany vaovao ?

Homena fi ofanana manokana izy ireo amin’izany.
 
< Précédent
 
Copyright 2008 By Kboss Studio - Média Ressources