| MOMBA NY MPAMPIANATRA |
|
|
• Ho ampy ve ny mpampianatra ? Efa nisy fandraisana mpampianatra 2800 hitazona ny taona faha 6 sy faha 7 izay miofana any amin’ny CRINFP nanomboka tamin’ny volana nôvambra 2007 hatramin’ny volana aogositra 2008. • Iza no hanofana ny mpampianatry ny fanabeazana fototra dingana faharoa tsy miankina ? Efa misy fi araha-miasa eo amin’ny INFP sy ny Foibem-pitondrana nasiônaly misahana ny sekoly tsy miankina momba an’io. • Ahoana no hiatrehan’ny mpampianatra ny fanovana ? Homena fi ofanana mifandraika amin’izany ny mpampianatra ny taona voalohany amin’ny volana aogositra ary hotohizana izany fi ofanana izany any amin’ny rafi try ny tambanjotry ny mpampianatra. • Ho aiza ireo mpampianatra am-perinasa ankehitriny ? (mpampianatra kilasy faha 6 amin’izao) Ny mpampianatra manana CAP/CEG dia hijanona any amin’ireo fanabeazana fototra dingana faharoa vaovao na ny Kôlejy Filamatra. Izay manana bakalôrea dia hampianatra any amin’ny taona faha 6 sy faha 7. Hanaraka fi ofanana mitohy izy ireo. • Hampianatra inona izy ireo satria ankehitriny dia mampianatra taranja iray na roa izy ? Omena fi ofanana izy ahazoany tsanganana mitovy amin’ny mpampianatra ESS. • Iza no hampianatra any amin’ny taona faha 6 sy faha 7 vaovao ? Ny mpampianatra ESS voaofana hampianatra na taranja literera na taranja siantifi ka. • Hisy fandraisana mpampianatra vaovao ve ? Inona no fepetra takiana? Hisy fandraisana mpampianatra vaovao hatrany. Fananana bakalôrea no takiana. • Mahazo mampianatra any amin’ny kilasy faha 6 sy faha 7 vaovao ve ny mpampianatra FRAM ? Raha mahafeno ny fepetra takina voalaza etsy ambony. • Mahazo mampianatra any amin’ny kilasy faha 6 sy faha 7 vaovao ve ny mpampianatra mpiasam-panjakana ao amin’ny dingana voalohany amin’izao fotoana izao ? Raha mahafeno ny fepetra takina voalaza etsy ambony. • Samy hafa ve ny satan’ny mpampianatry ny dingana voalohany ankehitriny sy ny an’ny kilasy faha 6 sy faha 7 vaovao ? Eny. • Hisy fandaharam-piofanana manokana ho an’ny mpampianatra ve ? Rahoviana ? Eny, araka ny fandaharam-pianarana vaovao. • Hahazo fi ofanana sy fanampiana hoenti-mandray ny fanovana avokoa ve ny mpampianatra rehetra ? Eny. • Iza no mpampiofana ary inona no fandaharana sy votoatin’ny fiofanana ? Ny mpampiofan’ny CRINFP no mampiofana manaraka ny fanovana. • Hisy rafi -panombanana ny vokatry ny fiofanana ve ? Ahoana no hanatanterahana azy ? Inona no mety ho vokatr’izany ? - Mpampianatra FRAM : misy endrika maromaro isehoan’ny fanombanana eo ; raha mahomby izy dia hisy akony amin’ny karamany izany. - Mpampianatra ESS : hisy fanombanana amin’ny fi afaran’ny taom-piofanany. • Ho hain’ny talen-tsekoly ve ny hitantana ny satany vaovao ? Homena fi ofanana manokana izy ireo amin’izany. |
| < Précédent |
|---|

