MOMBA NY FARI-PAHAIZAN’NY MPIANATRA Convertir en PDF
• Manao ahoana ny tsanganan’ny mpianatra nahavita ny taona fahafi to ?
- Mpianatra mahafehy tenim-pirenena sy teny vahiny,
- Mpianatra manana ireo fahalalana fototra, sy fahaiza-manao amin’ny matematika sy ny siansa sôsialy,
- Tanora afaka misafi dy hiditra amin’ny tontolon’ny asa, na hanohy fanabeazana ambony,
- Tanora mahay mamakafaka sy mikaroka avy amin’ny fanomezana azy ny fahalalana sy ny fahaiza-manao fototra mba hahafahany manapa-kevitra sy mamaha ny olana eo amin’ny fi ainany sy eo amin’ny asany.

• Inona no maha samihafa ny dingana voalohany 5 taona sy ny 7 taona ? Hanao ahoana ny fari-pahaizan’ny mpianatra aorian’ny 7 taonan’ny dingana voalohany ?
Tsy hoe ny votoatin’ny fandaharam-pianarana 5 taona no aparitaka ao amin’ny an’ny
7 taona, na koa hoe ampiana ny votoatim-pampianaran’ny roa taona voalohany tao
amin’ny fanabeazana fototra dingana faharoa ny fandaharam-pianarana 5 taona
fa mamaritra fandaharam-pianarana vaovao mihitsy miainga amin’ny tsanganana vaovao. Ka io tsanganana vaovao io dia tokony haneho ny fahaiza-manao hotratrarina mandritra ny fanabeazana.

• Mampihena ny taham-pamerenan-taona ve tsy midika hoe mampidina ny fari-pahaizan’ny mpianatra ?
Fanadihadiana maro no efa nanaporofo fa ny famerenan-taona dia tsy mahatonga
ny mpianatra ho mahay sy mahomby kokoa. Rafi tra fanohanana ara-pedagôjia sy
tantsoroka ary fanatsarana ny fi anaran’ny mpianatra (fampianarana hoenti-manenjika fahatarana…) no tsy maintsy atao mba hampihenana ny taham-pamerenan-taona.

• Hitovy fari-pahaizana amin’ny ankizin’ny tany mandroso ve ny zanakay amin’ny
fi afaran’ny dingana voalohany 7 taona ?

Ny votoatin’ny fandaharam-pianarana dia ampifanarahana amin’ny zava-misy eto
an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, izany hoe amin’ny zava-misy eto
Madagasikara sy izao tontolo izao. Hisy fanatanterahana fi tsapana iraisam-pirenena
ara-potoana hoenti-manombana ny vokatra azon’ny mpianatra tahaka ny PASEC
(Programme d’analyse du système éducatif des pays membres de la CONFEMEN).
 
Suivant >
 
Copyright 2008 By Kboss Studio - Média Ressources