| MOMBA NY FARI-PAHAIZAN’NY MPIANATRA |
|
|
• Manao ahoana ny tsanganan’ny mpianatra nahavita ny taona fahafi to ? - Mpianatra mahafehy tenim-pirenena sy teny vahiny, - Mpianatra manana ireo fahalalana fototra, sy fahaiza-manao amin’ny matematika sy ny siansa sôsialy, - Tanora afaka misafi dy hiditra amin’ny tontolon’ny asa, na hanohy fanabeazana ambony, - Tanora mahay mamakafaka sy mikaroka avy amin’ny fanomezana azy ny fahalalana sy ny fahaiza-manao fototra mba hahafahany manapa-kevitra sy mamaha ny olana eo amin’ny fi ainany sy eo amin’ny asany. • Inona no maha samihafa ny dingana voalohany 5 taona sy ny 7 taona ? Hanao ahoana ny fari-pahaizan’ny mpianatra aorian’ny 7 taonan’ny dingana voalohany ? Tsy hoe ny votoatin’ny fandaharam-pianarana 5 taona no aparitaka ao amin’ny an’ny 7 taona, na koa hoe ampiana ny votoatim-pampianaran’ny roa taona voalohany tao amin’ny fanabeazana fototra dingana faharoa ny fandaharam-pianarana 5 taona fa mamaritra fandaharam-pianarana vaovao mihitsy miainga amin’ny tsanganana vaovao. Ka io tsanganana vaovao io dia tokony haneho ny fahaiza-manao hotratrarina mandritra ny fanabeazana. • Mampihena ny taham-pamerenan-taona ve tsy midika hoe mampidina ny fari-pahaizan’ny mpianatra ? Fanadihadiana maro no efa nanaporofo fa ny famerenan-taona dia tsy mahatonga ny mpianatra ho mahay sy mahomby kokoa. Rafi tra fanohanana ara-pedagôjia sy tantsoroka ary fanatsarana ny fi anaran’ny mpianatra (fampianarana hoenti-manenjika fahatarana…) no tsy maintsy atao mba hampihenana ny taham-pamerenan-taona. • Hitovy fari-pahaizana amin’ny ankizin’ny tany mandroso ve ny zanakay amin’ny fi afaran’ny dingana voalohany 7 taona ? Ny votoatin’ny fandaharam-pianarana dia ampifanarahana amin’ny zava-misy eto an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, izany hoe amin’ny zava-misy eto Madagasikara sy izao tontolo izao. Hisy fanatanterahana fi tsapana iraisam-pirenena ara-potoana hoenti-manombana ny vokatra azon’ny mpianatra tahaka ny PASEC (Programme d’analyse du système éducatif des pays membres de la CONFEMEN). |
| Suivant > |
|---|

