MOMBA NY FANOROAN-DALANA NY MPIANATRA Convertir en PDF
• Halefa aiza ny mpamerin-taona ao amin’ny kilasy faha 6 amin’izao ?
Raha nanao ny asany tsara ny talen-tsekoly sy ny mpampianatra dia tsy tokony hisy
mpianatra mamerina ny Taona faha 6.
Raha sanatria ka misy izany dia homena fampianarana manokana mandritra ny fialantsasatra ireo mpianatra ireo mba ialana amin’izany.

• Aiza no hanohy ny fi anarany ny ankizy mahavita ny taona faha 5 ? Ao amin’ny taona faha 6 vaovao ve sa any amin’ny kilasy faha 6 any amin’ny fanabeazana fototra dingana faharoa ? Inona no mahasamy hafa an’izany ?

Ho an’ny CISCO ampiharana ny fanovana, ny mpianatra nahavita ny taona faha 5 dia
handeha any amin’ny EPP izay nanokafana taona faha 6 na any amin’ny CEG mandray ny taona faha 6 vaovao ka mitovy daholo ny fandaharam-pianarana.
Ho an’ny CISCO tsy mbola ampiharana ny fanovana dia mianatra any amin’ny CEG toy ny teo aloha ihany .

• Ny mpianatry ny fanabeazana tsy miankina izay ho afaka CEPE amin’ity 2008 ity ve mahazo miditra any amin’ny EPP vaovao izay nanokafana taona faha 6 ?

Afaka manao izany izy ho an’ny CISCO ampiharana ny fanovana amin’ity taom-pianarana 2008-2009 ity.
 
< Précédent   Suivant >
 
Copyright 2008 By Kboss Studio - Média Ressources