| MOMBA NY FANDAHARAM-PIANARANA |
|
|
• Ho tonga ara-potoana ve ny fandaharam-pianarana ? Efa maty paika sy voaomana tsara ny fanovana. Voalohany amin’izany ny fandaharampianarana. Aparitaka mialohan’ny fi diran’ny mpianatra 2008-2009 ny fandaharampianarana taona voalohany sy taona faha 6. • Inona no ho teny enti-mampianatra ? Ny teny malagasy no teny enti-mampianatra amin’ny 5 taona voalohany. Manomboka amin’ny taona faha 6 dia ampianarina amin’ny teny Frantsay ny Matematika, ny Siansa ary ny Teknôlôjia. • Ny fifidianana ny malagasy ho teny enti-mampianatra ve tsy midika ho fiverenana amin’ny fanagasiana ? Ny ministera tsy nampiasa ny teny hoe fanagasiana mihitsy, ny fanapahan-kevitra ny hampiasana ny tenin-dreny hanabeazana no tiana hohamafi sina. Taona Voalohany ka hatramin’ny Taona faha 5 : - Teny malagasy : teny enti-mampianatra sady taranja ampianarina, - Teny frantsay : taranja ampianarina manomboka amin’ny Taona Voalohany, - Teny anglisy : taranja azo ampianarina manomboka ao amin’ny Taona faha 4, tsy maintsy ampianarina amin’ny Taona faha 6 sy Taona faha 7, - Teny malagasy : taranja ampianarina sady teny enti-mampianatra ny taranja literera sy siansa sôsialy, - Teny frantsay : taranja ampianarina sady teny enti-mampianatra ny taranja matematika, siansa, teknôlôjia, - Teny anglisy : taranja tsy maintsy ampianarina manomboka ao amin’ny Taona faha 6. • Misy fi fandraisany ve ny fandaharam-pianarana vaovao sy ny tranainy? Samy mitodika amin’ny APC izy roa. • Ny fanovana fandaharam-pianarana ve midika koa ho fanovana ny calendrier scolaire ? Tsy miova ny halavan’ny fotoana ianarana : 12 taona ihany manomboka amin’ny dingana voalohany hatramin’ny ambaratonga faharoa. Ny fandaminana ny dingana no miova ka ny 5+4+3 dia lasa ho 7+3+2. Hisy fanovana miandalana ny calendrier mba hanatsarana ny halavan’ny fotoana ianaran’ny mpianatra. • Rahoviana no tena ampiasaina ny fandaharam-pianarana vaovao ho an’ny dingana voalohany, ny fanabeazana fototra dingana faharoa ? Ho an’ny dingana voalohany dia amin’ny septambra 2008. Ho an’ny fanabeazana fototra dingana faharoa, amin’ny 2010-2011. • Mba hidirana taona faha 6, ny fanadinana atao ao an-tsekoly ve tsy efa ampy ? Mandra-pahatafapetraky ny fanabeazana fototra 7 taona dia tazonina hatrany ny CEPE hidirana ho taona faha 6. Rehefa tafapetraka ny fanovana, ny fanadinana ao an-tsekoly no hidirana taona faha 6. • Tsy hisy CEPE amin’ny endriny tranainy intsony ve ary ho tonga ny CEPE amin’ny endriny vaovao ? - Tazonina hatramin’ny taona 2012 ny CEPE mandra-pahatafapetraky ny fanabeazana fototra 7 taona, - Aorian’ny 2012, mari-pahaizana mifandraika amin’ny fi anarana 7 taona no homena ny mpianatra izay manan-danja kokoa noho ny teo aloha. • Hisy zana-dingana efatra ve ny Dingana Voalohany : CP1-CP2/CE/CM1-CM2/6e-7e ? Hisy zana-dingana telo. • Inona no fanovana hampidirina ao amin’ny fandaharam-pianarana ? Ampifandraisina ny fahalalana sy ny fahaiza-manaon’ny mpianatra mba hahafahany miatrika sy mamaha ireo olana tojo azy eo amin’ny fi ainany. • Moa ve fandaharam-pianarana 2 samy hafa no horaisina ho an’ny tanàn-dehibe sy ny ambanivohitra ? Tokana ny fandaharam-pianarana ho an’ny sekoly malagasy eto Madagasikara. • Mbola hisy ve ny fanadinana ôfi sialy CEPE, BEPC sy bakalôrea ? Eny. |
| < Précédent | Suivant > |
|---|

