MOMBA NY FANDAHARAM-PIANARANA Convertir en PDF
• Ho tonga ara-potoana ve ny fandaharam-pianarana ?
Efa maty paika sy voaomana tsara ny fanovana. Voalohany amin’izany ny fandaharampianarana.
Aparitaka mialohan’ny fi diran’ny mpianatra 2008-2009 ny fandaharampianarana
taona voalohany sy taona faha 6.

• Inona no ho teny enti-mampianatra ?
Ny teny malagasy no teny enti-mampianatra amin’ny 5 taona voalohany. Manomboka
amin’ny taona faha 6 dia ampianarina amin’ny teny Frantsay ny Matematika, ny Siansa
ary ny Teknôlôjia.

• Ny fifidianana ny malagasy ho teny enti-mampianatra ve tsy midika ho fiverenana amin’ny fanagasiana ?
Ny ministera tsy nampiasa ny teny hoe fanagasiana mihitsy, ny fanapahan-kevitra ny
hampiasana ny tenin-dreny hanabeazana no tiana hohamafi sina.
Taona Voalohany ka hatramin’ny Taona faha 5 :
- Teny malagasy : teny enti-mampianatra sady taranja ampianarina,
- Teny frantsay : taranja ampianarina manomboka amin’ny Taona Voalohany,
- Teny anglisy : taranja azo ampianarina manomboka ao amin’ny Taona faha 4, tsy
maintsy ampianarina amin’ny Taona faha 6 sy Taona faha 7,
- Teny malagasy : taranja ampianarina sady teny enti-mampianatra ny taranja literera
sy siansa sôsialy,
- Teny frantsay : taranja ampianarina sady teny enti-mampianatra ny taranja matematika,
siansa, teknôlôjia,
- Teny anglisy : taranja tsy maintsy ampianarina manomboka ao amin’ny Taona faha 6.

• Misy fi fandraisany ve ny fandaharam-pianarana vaovao sy ny tranainy?
Samy mitodika amin’ny APC izy roa.

• Ny fanovana fandaharam-pianarana ve midika koa ho fanovana ny calendrier scolaire ?
Tsy miova ny halavan’ny fotoana ianarana : 12 taona ihany manomboka amin’ny dingana
voalohany hatramin’ny ambaratonga faharoa.
Ny fandaminana ny dingana no miova ka ny 5+4+3 dia lasa ho 7+3+2.
Hisy fanovana miandalana ny calendrier mba hanatsarana ny halavan’ny fotoana
ianaran’ny mpianatra.

• Rahoviana no tena ampiasaina ny fandaharam-pianarana vaovao ho an’ny dingana voalohany, ny fanabeazana fototra dingana faharoa ?

Ho an’ny dingana voalohany dia amin’ny septambra 2008.
Ho an’ny fanabeazana fototra dingana faharoa, amin’ny 2010-2011.

• Mba hidirana taona faha 6, ny fanadinana atao ao an-tsekoly ve tsy efa ampy ?

Mandra-pahatafapetraky ny fanabeazana fototra 7 taona dia tazonina hatrany ny CEPE
hidirana ho taona faha 6. Rehefa tafapetraka ny fanovana, ny fanadinana ao an-tsekoly
no hidirana taona faha 6.

• Tsy hisy CEPE amin’ny endriny tranainy intsony ve ary ho tonga ny CEPE amin’ny endriny vaovao ?
- Tazonina hatramin’ny taona 2012 ny CEPE mandra-pahatafapetraky ny fanabeazana
fototra 7 taona,
- Aorian’ny 2012, mari-pahaizana mifandraika amin’ny fi anarana 7 taona no homena ny
mpianatra izay manan-danja kokoa noho ny teo aloha.

• Hisy zana-dingana efatra ve ny Dingana Voalohany : CP1-CP2/CE/CM1-CM2/6e-7e ?
Hisy zana-dingana telo.

• Inona no fanovana hampidirina ao amin’ny fandaharam-pianarana ?

Ampifandraisina ny fahalalana sy ny fahaiza-manaon’ny mpianatra mba hahafahany
miatrika sy mamaha ireo olana tojo azy eo amin’ny fi ainany.

• Moa ve fandaharam-pianarana 2 samy hafa no horaisina ho an’ny tanàn-dehibe sy ny ambanivohitra ?
Tokana ny fandaharam-pianarana ho an’ny sekoly malagasy eto Madagasikara.

• Mbola hisy ve ny fanadinana ôfi sialy CEPE, BEPC sy bakalôrea ?

Eny.
 
< Précédent   Suivant >
 
Copyright 2008 By Kboss Studio - Média Ressources