| MOMBA NY EPT |
|
|
• Inona izany hoe fanovana ny fanabeazana ? Inona no hiova ? Hatao 7 taona ny faharetan’ny Fanabeazana Fototra Dingana Voalohany izay 5 taona, hatao 3 taona ny faharetan’ny Fanabeazana Fototra Dingana Faharoa izay 4 taona ary hatao 2 taona ny Lycée izay 3 taona. • Inona no atao hoe drafi tra EPT ? Tetikasa ve izany ? Fandaharanasa ny Drafi tra EPT, mamaritra andiam-panovana novolavolaina mba hanatsarana fanabeazana, hahatrarana ny tanjona fanabeazana 10 taona ho an’ny rehetra. • Nahoana no nahitsy ny drafi tra EPT ? Satria ny zava-kendren’ny Governemanta dia ny hanome fanabeazana 10 taona ho an’ny rehetra, dia nitarina ny fanovana ary ilaina ny manambara mazava ny laharampahamehana sy mampahafantatra ny olona ny momba ny fanatanterahana azy. • Inona no fi fandraisana misy eo amin’ny MAP, ny fanovana ny rafi -panabeazana sy ny drafi tra EPT ? Tao anaty lasitry ny MAP no namolavolana ny drafi tra. Noho izany dia mifamatotra amin’ny tanjona sy tetikadim-pampandrosoana ara-toekarena sy sôsialin’ny firenena. • Iza no mpikatroka ary iza no mahazo tombontsoa ? Mpikatroka : MEN foibe, ny CISCO sy ny DREN, ny mpampianatra, ny ray aman-dreny, ny sekoly. Mahazo tombontsoa : mpianatra sy ny mpiombona antoka rehetra. • Inona no tanjona kendrena ? Tanjona : miantoka ny fi diran’ny zaza malagasy rehetra tonga taona hianatra sy ho tamana any an-tsekoly. Hanome fanabeazana mahomby sy tsara kalitao ho an’ny mpianatra. • Mety ho tratra marina ve ireny tanjona ireny ? Azo tratrarina ny tanjona miaraka amin’ny fanomezan-danja sy ny fi fanomezan-tànana eo amin’ny mpikatroka rehetra. • Inona no vokatsoa entin’ny fanovana ? (i) aorian’ny fi anarana 7 taona dia tsy hiverina ho tsy mahay mamaky teny sy manoratra intsony ny ankizy ; (ii) mitombo 2 taona ny fi arahan’ny mpianatra amin’ny ray amandreniny vao hanatona ny fanabeazana fototra dingana faharoa izay mazàna lavitra ny toerana misy azy ; (iii) mihamora ny fi dirana amin’ny 2 taona fanampiny satria akaiky ny sekoly fanabeazana fototra dingana voalohany (CEG iray ho an’ny sekoly 179) ; (iv) fanovana ny fandaharam-pianarana mba hamaly kokoa ny fi lana fototra ; (v) mampihena ny fi tsoahana an-daharana indrindra aorian’ny taona faha 5 ary hampihenana ny fanakaramana ankizy latsaka ny 15 taona. • Rahoviana no hampiharina ny fanovana ? Manomboka amin’ny taom-pianarana 2008-2009. • Ahoana no fi zotry ny fanatanterahana ny fanovana ? CISCO 20 no santatra hanombohana ny fanovana ny taom-pianarana 2008-2009 ary hiitatra hivelatra tsikelikely any amin’ny CISCO rehetra hatramin’ny 2015 . • Inona no masontsivana nifi dianana ny CISCO santatra ? Iza no nifi dy azy ireo ? Masontsivana : - Sekoly tsy mahafeno hatramin’ny kilasy faha 5 - Sekoly manakaiky CRINFP - Ny teknisianin’ny Foibem-pitondrana misahana ny Drafi try ny Fanabeazana Fototra sy ny ady amin’ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra no nisafi dy ireo CISCO ireo. • Dingana fanandramana ve io ? Fampiharana miandalana no atao fa tsy misy fanandramana. Santarina amin’ny CISCO 20 ny 2008-2009, CISCO 45 hafa ny 2009-2010 ary any amin’ny CISCO 46 ambiny ny 2010-2011. • Sao dia lasa sorona amin’ny fanandramana ireo mpianatra any amin’ireo CISCO andrana ? Inona avy ny fepetra ampiarahana amin’ny fanovana ? Antitranterina fa tsy misy andrana izany. Tsy ho sorona ny mpianatra satria efa maty paika ny fomba hanatanterahana ny fanovana. Misy ohatra ny fepetra fanampiny horaisina toy ny famolavolana boky fi anarana, fanofanana ny mpamolavola fandaharam-pianarana sy ny mpanoratra boky ary ny mpampianatra. Misy fandraisana fi kambanana iraisam-pirenena hanohana ny rafi tra misy eto an-toerana. • Voatery tsy maintsy mandray ny fanovana ve ny fanabeazana tsy miankina ? Mazava ho azy fa raha manala ny fanadinam-panjakana ny mpianatra ao aminy dia tombontsoany ny manaraka ny fanovana. Ny fandaharam-pianarana dia natao ho an’ny sekoly rehetra na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, toy izany koa ny fanadinana. Saingy afaka manampy taranja hafa araka ny safi diny avy ny tsirairay, ohatra : fandalinam-pinoana, mozika… • Inona no anjara asan’ny fanabeazana tsy miankina ? Mandray anjara amin’ny asa fandinihana, famolavolana ary fankatoavana ireo singa mamorona ny fanovana. • Inona no fanampiana omen’ny fanjakana manoloana ny fanovana samihafa? (efi trano fi anarana, mpampianatra, boky fi anarana...) Homena fanampiana ny fanabeazana tsy miankina manaraka ny fanovana. • Inona no anjaran’ny vondron’olona amin’ny fanatanterahana ny EPT ? Miankina amin’ny fomba fi asa izany : Fomba fi asa MOD (Maître d’Ouvrage Délégué) : orinasa mpanatanteraka no manao ny asa. Ny vondron’olona ifotony no tompon’ny asa ary miantoka ny fikojakojana. • Inona no ifandraisan’ny drafi tra EPT sy ny asa andavanandro ? Ny fanatanterahana ny drafi tra EPT dia asa andavanandron’ny mpikatroka momba ny fanabeazana rehetra. • Mbola hisy ihany ve ny APC ? Ny programa vaovao dia mbola mitodika amin’ny compétences APC. Noho izany ny fanarahana ny fampiharana ny APC dia tokony hohamafi sina hatrany. • Hisy anarana vaovao sy fanovana ny fi rafi try ny lakilasy ve ? Eny, mizotra miandàlana. • Miara-voakasiky ny fanovana daholo ve ny votoatin’ny taranja sy ny fotoana ampianarana ? Navondrona amin’ireto taranja ireto ireo taranja rehetra nampianarina teo aloha : - Malagasy , Frantsay, Anglisy, - Matematika, Siansa sy teknôlôjia izay ampianarana ny fi zika, simia, teknôlôjia ary SVT - Siansa sôsialy izay ahitana ny Tantara, Jeôgrafi a ary FMOM, Miova noho izany ny fotoana ampianarana azy fa tsy tahaka ny teo aloha. • Manao ahoana ny endriky ny fanombanana ny vokatra azon’ny mpianatra ? Misy karazany 3 ny tombanezaka hampiharina ho an’ny mpianatra mandritra ny fi anarany : - Tombana am-panofanana : Evaluation formative : mandritra ny taom-pianarana, - Tombana isaky ny 2 volana sy any amin’ny faran’ny taona : Evaluation sommative sady formative, - Tombana ezaka isaky ny faran’ny zana-dingana : Evaluation certifi cative de fi n de cycle. Ny tombana rehetra dia manara-penitra : Evaluation critériée. • Hahazo ny fanampiana azon’ny FAF koa ve ny taona faha 6 sy faha 7 sa tafi ditra ho isan’ny CEG ? Hahazo fanampiana azon’ny FAF koa izy ireo. |
| Suivant > |
|---|

