MOMBA NY BOKY FIANARANA Convertir en PDF
• Hahazo boky hanampy azy amin’ny fi anarany ve ny mpianatra ?
Eny.

• Hatao ahoana ny boky fi anarana ampiasaina amin’izao fotoana izao ?
Mbola hampiasaina foana izy ireny ho an’ny sekoly rehetra tsy mampihatra ny fanovana. Ampiasaina mandrakariva ho tahirin-kevitra.

• Ahoana ny fomba hampiasan’ny mpianatra sy ny mpampianatra ireo boky fi anarana vaovao ?
Homena fi ofanana momba ny fampiasana ny boky vaovao ny mpampianatra.

• Iza no hahazo tombontsoa ?

Ny mpianatra rehetra amin’ny sekolim-panjakana na amin’ny sekoly tsy miankina.

• Hisy ve ny fanovana boky fianarana ?

Boky fi anarana vaovao no ampiasaina any amin’ny sekoly mampihatra ny fanovana.

• Amin’ny teny inona ireo boky vaovao ?
Ny taona voalohany hatramin’ny taona fahadimy dia amin’ny teny malagasy avokoa ankoatra ny taranja frantsay.
Ny taona fahenina sy fahafi to dia amin’ny teny malagasy ny taranja malagasy sy ny siansa sôsialy, ary amin’ny teny frantsay ho an’ny taranja siantifi ka.

• Maimaim-poana ve ny boky fi anarana ?

Eny.
 
< Précédent   Suivant >
 
Copyright 2008 By Kboss Studio - Média Ressources