MATOAN-DAHATSORATRA Convertir en PDF

Tamin’ny taona 2003 no nanombohan’i Madagasikara ny fanatsarana ny fanabeazana tamin’ny alàlan’ny fanovana ny rafi-pampianarana natao hoe Fanabeazana ho an’ny rehetra (EPT: Educattion Pour Tous). Ny drafitra nitondrana izany fanovana izany dia nohavaozina tamin’ny taona 2005. Nandritra ny folo taona izany dia efa nivoatra be tokoa ny fiarahamiombonantoka tao anatin’ity sehatra ity ; ary nahafa-po ny vokatra, indrindra ho an’ny Fanabeazana Fototra satria nitombo avo roa heny ny zaza malagasy tafiditra an-tsekoly (1,9 tapitrisa teo aloha dia lasa 3,8 tapitrisa). Mba hiatrehana ny fanamby mikasika ny fahombiazana na eo amin’ny fomba fiasa na eo amin’ny fahatrarana ny tanjona dia nohavaozina indray ny Drafitra itondrana ny EPT, mifanaraka amin’ireo fanovana ao anatin’ny Madagasikara Am-Perinasa, izay namaritra ny atao hoe « dingana lehibe » mba hahazoan’ny firenena olona mandray anjara amin’ny fampivoarana ny firenena ary afaka hiatrika ny fanatontoloana.

Ireo ezaka rehetra ao anatin’ny fanovana ny rafi-panabeazana dia mila harindra miaraka indrindra indrindra amin’ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina. Anisan’ireo ezaka ireo ny fandrafetana lesona, boky, fitaovana sy fomba fanabeazana vaovao, ny fanofanana ireo mpampianatra, ary ny fanamboarana trano sekoly raha ilaina izany. Ny tanjona dia ny hanolorana ho an’ny ankizy rehetra tsy an-kanavaka fanabeazana manaraka ny fenitra iraisam-pirenena mba hahazoan’izy ireo ny fahaizana sy fahalalana fototra ary ny fahaizana sy fahalalana hahafahany na manohy fianarana na miditra amin’ny sehatry ny asa, ho tonga mpianatra kinga, tia fianarana, manana saina tia karokaroka, ary ho tonga olompirenena mahay mandray zava-baovao sy mahay mandanjalanja any aoriana.

 
Suivant >
 
Copyright 2008 By Kboss Studio - Média Ressources