| Ireo fanovana lehibe misongadina |
|
|
Natomboka tamin’ny taona 2003 ny fanovana ny rafi-panabeazana ary nahitam-bokany izany. Hotohizana ny ezaka ka laharam-pahamehana amin’izany ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fampitoviana lenta ny ankizy Malagasy rehetra. Drafitra matipaika sy tetikady mifanaraka amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena no efa novolavolaina hanatratrarana ireo tanjona ireo. - Ny fe-potoana ianarana any amin’ny fanabeazana fototra dingana voalohany - Ny teny enti-mampianatra - Ny teti-bola isan-tsekoly - Ny fahaiza-manaon’ireo mpampianatra - Ny fandaharam-pianarana - Ny taom-pianarana - Ny fitaovana enti-mampianatra sy ny fitaovam-pianarana - Ny fomba enti-mampianatra - Ny efitranon-tsekoly Ny fe-potoana ianarana any amin’ny fanabeazana fototra dingana voalohany Halavaina ho fito taona ny dingana voalohan'ny fanabeazana fototra mba : – ho mafy orina ny fahalalana sy ny fahaiza-manao azon'ny ankizy, – tsy hisara-toerana aloha loatra ny fianakaviana, – hahazo fahalalana sy fahafahana miaro tena amin'ny loza sy olana mateti-pitranga amin'ny tanora ny ankizy. Rafi-panabeazana vaovao
Firafitry ny fanabeazana fototra dingana voalohany
Aorian'ny taona 2012 dia mari-pahaizana minfandraika amin'ny fianarana norantonvin'ny ankizy mandritra ny 7 taona kosa no omena aorian'ny fanadinana ôfisialy. - Ny teny enti-mampianatra Ny teny malagasy no ampiasaina ampitana amin'ny mpianatra ny fahalalana fototra voarakitra ao amin'ny fandaharam-pianarana Ny tenin-dreny sy ny tenin-drazana no tena sahaza ampitana amin'ny ankizy ny fahalalana fototra; Raha tsy voafehin'ny ankizy ny teny ampianarana azy dia ho sarotra aminy ny handray ny fampianarana ampitaina aminy, Ilaina ny fianarana ny teny vahiny mba hahazoantsika mifandray amin'ny firenen-kafa sy mandray ny zava-baovao tsara entin'ny fandrosoana avy any ivelany. Teny malagasy : – teny enti-mampianatra sady taranja ampianarina manomboka amin'ny taona voalohany ka hatramin'ny taona faha-5 – taranja ampianarina sady teny enti-mampianatra taranja sasany any amin'ny taona faha-6 sy faha-7 Teny frantsay – taranja ampianarina manomboka amin'ny taona voalohany – taranja ampianarina sady teny enti-mampianatra taranja sasany any amin'ny taona faha-6 sy faha-7 Teny anglisy – taranja azo ampianarina manomboka ao amin'ny taona faha-4 – taranja tsy maintsy ampianarina ao amin'ny taona faha-6 - Ny fahaiza-manaon’ireo mpampianatra Ampitomboina ny isa sy ny fahaiza-manaon'ireo mpampianatra mba hanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana. – Ovaina ny fandaharam-piofanana sy ny rafitr'ireo foibe fanofanana mpampianatra, – Sokafana ireo foibe vaovao fanofanana mpampianatra, – Apetraka ny tetikady vaovao momba ny fanofanana mitohy miankina amin’ny tambajotrana sekoly sy fanofanan-tena ary fanofanana ampitain-davitra, – Samy ofanina na ireo mpampianatra FRAM efa am-perinasa, na ireo mpampianatra FRAM vao miditra, – Ampitomboina ny fanampiana ireo mpampianatra FRAM, – Ametrahana sata vaovao ireo mpampianatra FRAM, – Mpampianatra vaovao isan-taona no omena fiofanana ary raisina ho mpiasam-panjakana mba hampianatra ny taranja literera sy ny taranja siantifika ho an'ny taona faha-6 sy faha-7. - Ny fandaharam-pianarana Havaozina ny fandaharam-pianarana mba hifanaraka amin'ny filan'ny toe-karem-pirenena sy ahafahan'i Madagasikara miatrika ny fanatontoloana. Fandaharam-pianarana mifanaraka amin’ny taonan’ny ankizy sy ny seha-piainany, milahatra amin’ny fenitra iombonana iraisam-pirenena ary mikolokolo ny fahaiza-mamorona, ny fahaizana miara-miasa ary ny toe-tsaina mandraharaha no hovolavolaina. Amin’ny taona voalohany dia efa ampidirina ho isan’ny taranja ianarana ny teknôlôjia. Avondrona isan-tsokajy ny taranja mba tsy hiparitahany be loatra. Omena lanja manokana ny fianarana ny teny vahiny, dia ny teny anglisy sy ny teny frantsay, mba hahafahan’ny mpianatra mifehy azy tsara. Taranja ianarana dieny any amin’ny taona voalohany ny teny Frantsay. Amin’ny taona fahefatra no ampidirina ho taranja ianarana ny teny Anglisy ka ny fanazarana ny mpianatra hihaino sy hiteny amin’ny fampiasana voambolana mifandraika amin’ny fiainana andavanandro no andrasana amin’izany. Amin’ny taona faha-enina kosa dia ny hahaizan’ny mpianatra mamaky, miteny ary miresaka amin’ny teny anglisy tsotra ao an-dakilasy sy amin’ny fiainany andavanandro no hifantohan’ny fampianarana. Ny faritra tsirairay no misafidy sy mamaritra ny fahaiza-manao ara-java-kanto (hira, dihy, mozika, hairaha …) tiany hampitaina amin’ny mpianatra. Omena safidy ihany koa ny mpianatra hianatra zaa-kanto iray mampiavaka ny faritra misy azy. Fandaharam-pianarana ho an'ny Sekoly Fanabeazana Fototra
- Ny taom-pianarana Ovaina sy hatsaraina miandalana ny taom-pianarana mba hampitomboana ny fotoana tena ianaran’ny mpianatra Ampifanentanana amin’ny zava-misy eto an-toerana ny tetiandron’ny fanabeazana ka kendrena hifanandrify amin’ny fotoana fisian’ny loza voajanahary, ny fotoanan’ny maitso ahitra, ny vanim-potoanan’ny orana sy ny fotoana maharatsy ny lalana ny andro fialan-tsasatra. Tanjon’ny fanovana miandalana hotanterahina ny hahatonga ny taom-pianarana misabaka amin’ny taona sivily roa ho taom-pianarana mifanandrify amin’ny taona sivily tokana. Tanjona ihany koa ny hampifanandrifiana amin’ny fidiran’ny oniversite ny faran’ny taom-pianarana. Eo ampiandrasana io fanovana io dia toy izao manaraka izao aloha ny firafitry ny taom-pianarana 2008-2009. Fidiran’ny mpandraharaha : 08 septambra 2008 Fidiran’ny mpampianatra : 15 septambra 2008 Fidiran’ny mpianatra : 22 septambra 2008
Datin’ny fanadinana : • CEPE : 13 jol 2009 • BEPC : 20 - 21 - 22 - 23 jol 2009 • CAP/EP : 17 - 18 aog 2009 - Ny fitaovana enti-mampianatra sy ny fitaovam-pianarana Anisan’ny laharam-pahamehana ny fanatsarana ny fitaovana enti-mampianatra sy ny fitaovam-pianarana ho an’ny ankizy. Ho an’ny mpampianatra dia hisy ny tari-dalana hovolavolaina isaky ny taranja. Vatsiana fitaovam-pampianarana fanampiny ny sekoly tsirairay satria ny fitaovam-pampianarana dia manamora ny fampitana fahalalana ary ahafahana mampivelatra ny fahaiza-manao amin’ny alalan’ny fomba fanabeazana mifototra amin’ny tetikasa sy ny siansa ary ny matematika ampiharina. Ampitomboina ny fampiasan’ny ankizy ny boky fianarana ka atao izay hanajana ny fenitra fitsinjarana “ankizy iray, boky iray”. Boky mifanaraka amin’ny fandaharam-pianarana vaovao no hovolavolaina amin’izany. Ampiana ihany koa ireo boky famakian-teny amin’ny teny Malagasy sy Frantsay ho an’ny taona faha6 sy faha7, ka lohateny 15 ka hatramin’ny 20 isaky ny taona ianarana no zaraina. - Fanamboarana efitranon-tsekoly Miainga avy amin’ny filana eny ifotony ny politikam-panamboarana tranon-tsekoly. Omena andraikitra amin’izany ny vondron’olona ifotony sy ny vondrom-bahoakam-paritra. Atao laharam-pahamehana amin’ny fanamboarana sekoly ny : - sekoly ampidirana ny taona faha-6 sy faha-7, - ny fokontany manana sekoly fa tsy feno hatrany amin’ny kilasy faha-5, - ny fokontany tsy mbola manana sekoly. Afainganina ny fanamboarana sekoly ary ampanarahina ny fenitra iraisam-pirenena izy ireny. - Efitrano fianarana iray ho an’ny mponina 200; - Halavirana 2 km (taona voalohany hatramin’ny faha5), 3 km (taona faha6 hatramin’ny taona faha7) - Mpampianatra iray manana mpianatra 25 ka hatramin’ny 50; - Efitrano tsy tanteraky ny tabataba, tsy azon’ny hamandoana, ampy fanaka: latabatra sy seza ho an’ny mpianatra tsirairay sy ny mpampianatra ary talantalana ho an’ny fitaovam-pampianarana. - Efitrano manana velarana sy hadiry manara-penitra, mahazo hazavana sy rivotra araka ny ilaina. Ny tetiandron’ny fanatanterahana Miandalana ny hanatontosana ny fanovana, ka eny anivon’ny Cisco 20 no atomboka ny asa rehetra. Hitatra tsikelikely ny fampiharana ka amin’ny taona 2010-2011 dia hampihatra ny rafitra vaovao avokoa ny Cisco rehetra manerana an’i Madagasikara. (Tableau tetiandro p.21 du guide) Tarehimarika isan-karazany Tao anatin’ny taona vitsy monja dia nitombo avo roa heny ny isan’ny mpianatra nampidirina an-tsekoly. Mbola mitohy ny ezaka ary tsaratsara kokoa noho izany ny tanjona hotratrarina amin’ny taona 2015. Ho an’ny dingana voalohany • Amin’ny taona 2010 dia miditra ao amin’ny taona voalohany amin’ny fanabeazana fototra dingana voalohany daholo ny ankizy feno 6 ka hatramin’ny 7 taona rehetra, • Amin’ny taona 2015 dia hanakaiky ny 100% ny taham-pahavitan’ny mpianatra ny 5 taona voalohany amin’ny dingana voalohany ary ho 65% ny fahavitany ny 7 taona, • Atao izay hahazoan’ny mpianatra rehetra ny fahaiza-manao sy ny hakingana voafaritra isaky ny fiafaran’ny dingana, • Amin’ny taona 2015, dia hihena ho 5% ny tahan’ny famerenan-taona ho an’ny dingana vaovao 7 taona. Ho an’ny fanabeazana fototra dingana faharoa Amin’ny taona 2015 dia : • Mpianatra 728 000 no ho afaka mianatra eny amin’ny kôlejim-panjakana sy tsy miankina nohavaozina, • Ampitomboina ny salan’isa takina amin’ny fanadinana famaranana ny dingana faharoa (BEPC), • Tokony hihena ho latsaky ny 15 % ny tahan’ny fi tsoahana an-daharana izay 30 % amin’izao fotoana izao, • Tokony hilatsaka ho 10% ny tahan’ny famerenan-taona izay 25 % teo aloha. |
|||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| < Précédent |
|---|

