| Fiampitana avy amin’ny EPT 2005 ho amin’ny EPT 2007 |
|
|
FANOVANA NY SEKOLY FANABEAZANA FOTOTRA DINGANA FAHAROA : Ny fanovana :
Ny kôlejy filamatra : Ny Kôlejy Filamatra dia hiparitaka amin’ny alalan’ireo tambanjotrana sekoly sy mpampianatry
Hatao izany hanampiana ny fandaharam-pianarana sy fomba fampianarana vaovao. Ny CISCO no misafidy ireo Kôlejy Filamatra araka ny masontsivana apetraky ny Minisitera. Ny sekoly misokatra : Ny Sekoly Misokatra dia manolotra safidy hafa noho ny fanabeazana ao anaty rafitra ary mety ho fanoitra lehibe amin’ny fanitarana ny dingana voalohany sy ny fanabeazana fototra dingana faharoa. Io sekoly io dia natao ho an’ireo ankizy sy tanora voatery nijanona nefa mbola te hanohy fianarana. Ny mpianatra misoratra ao amin’ity sekoly misokatra ho an’ny rehetra ity dia afaka miatrika ny fanadinana ôfisialy. |

