Fanatontosana ny fanovana Convertir en PDF

Ho fiatrehana ny fanovana, ny ministera dia manana drafitra matipaika sy tetikady izay mifanaraka amin’ny zavamisy.

FANAMBOARANA SEKOLY : Pôlitika vaovao no ampiharina eo amin’ny fanamboarana sekoly :

Fomba fiasa mifototra amin’ny filana miainga avy amin’ny vondron’olona ifotony,
Fanomezana andraikitra ny vondron’olona ifotony sy ny vondrom-bahoakam-paritra,
Fametrahana fenitra iraisana momba ny fanamboarana sekoly,
Laharam-pahamehana amin’ny fanamboarana sekoly :
– any amin’ny sekoly ampidirana ny Taona faha 6 sy faha 7
– any amin’ny Fokontany manana sekoly fa tsy feno hatrany amin’ny kilasy faha 5
– any amin’ny Fokontany tsy mbola manana sekoly
•Fanafainganana ny fanamboarana sekoly :
Fanamboarana sekoly manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, izany hoe :
– Fenitra ara-jeôgrafia :
- Efitrano fianarana 1 ho an’ny mponina 200,
-Halavirana 2 km (taona voalohany hatramin’ny faha 5), 3 km (taona faha 6 hatramin’ny faha 7).
– Fenitra momba ny haben’ny sekoly sy ny fitantanana lakilasy :
-Mpampianatra iray manana mpianatra 25 ka hatramin’ny 50.
• Fombafombam-panorenana :
– Ny efitrano fianarana dia tokony hanaraka ny fenitra momba ny velarana, ny hadiry, ny hazavana ary ny fidiran-drivotra,
– Amboarina ny efitrano mba tsy ho tanteraky ny tabataba, mba ho ambany ny tahan’ny hamandoana ary hisy ny fampitaovana fanaka : latabatra sy seza ho an’ny mpianatra tsirairay sy ny mpampianatra ary talantalana ho an’ny fitaovampampianarana. 

FANOFANANA MPAMPIANATRA Fanofanana :

• Fanovana ny fandaharam-piofanana sy ny rafitr’ireo foibe fanofanana
mpampianatra,
•Fanokafana foibe vaovao fanofanana mpampianatra,
•Famolavolana tetikady momba ny fanofanana mitohy miankina amin’ny tambanjotrana
sekoly sy ny auto-formation ary ny fanofanana ampitain-davitra.
Ho an’ny Dingana voalohany :
• Fandraisana sy fanofanana mpampianatra vaovao isan-taona natokana hampianatra
na taranja literera na taranja siantifika ho an’ny taona faha 6 sy faha 7,
•Ampitomboina ny vola fanampiana omena ny mpampianatra FRAM,
•Fitsinjovana ny fisondrotan’ny mpampianatra FRAM eo amin’ny asa sady
fampitomboana ny fanampiana omena azy.
Ho an’ny Fanabeazana fototra dingana faharoa :
• Fanofanana mpampianatra vaovao afaka handamina ny Kôlejy Filamatra sy Sekoly
Misokatra ho an’ny rehetra.

 

FANDAHARAM-PIANARANA Votoatin’ny fandaharam-pianarana :

Ny fandaharam-pianarana vaovao dia novolavolaina mba hahatrarana ireto tanjona ireto :
• Famolavolana fandaharam-pianarana mifanaraka amin’ny taonan’ny ankizy, sehapiainany,
afa-milahatra amin’ny fenitra iombonana iraisam-pirenena ary mikolokolo ny fahaiza-mamorona, ny fahaizana miara-miasa ary ny toe-tsaina mpandraharaha.
• Famondronana ny taranja ary fibanjinana bebe kokoa ny fahaiza-manao fototra
eo amin’ny taranja Malagasy, Frantsay ary Matematika sy ny fampifandraisana ny taranja sy fampiasana ny fahalalana, ny fahaiza-manao ary ny fahaiza-mitondra tena eo amin’ny fiainana andavanandro.
• Fanomezana lanja manokana ny teny vahiny, frantsay sy anglisy mba ahafahan’ny
mpianatra mifehy ireo teny ireo.
• Fanatsarana ny fandaharam-pianarana amin’ny alalan’ny fampidirana ny teknôlôjia
manomboka amin’ny taona voalohany, sy fampidirana ny teny Anglisy manomboka amin’ny taona faha 4 mba hanazarana ny mpianatra hihaino sy hiteny amin’ny fampiasana voambolana mifandraika amin’ny fiainana andavanandro. Manomboka amin’ny taona faha 6, ny fanabeazana teny Anglisy dia tokony hifantoka amin’ny hahaizan’ny mpianatra mamaky, miteny ary miresaka amin’ny teny anglisy tsotra ao an-dakilasy sy eo amin’ny fiainany andavanandro.
• Fametrahana amin’ny Faritra tsirairay ny safidy momba ny famaritana ny fahaizamanao
ara-java-kanto tiany (hira, hairaha araka endrika amam-bika, dihy…), safidy izay mamela ny mpianatra tsirairay hianatra zava-kanto iray mampiavaka ny faritra misy azy.

   

Ny boky fianarana sy fitaovam-pampianarana :

Hisy boky fianarana sy taridalana ho an’ny mpampianatra hovolavolaina isaky ny taranja. Ny fitaovam-pampianarana rehetra dia hanampy amin’ny fianarana ny votoatin-taranja sy ny fampivelarana ny fahaiza-manao amin’ny alalan’ny fomba fanabeazana mifototra amin’ny tetikasa sy ny siansa ary ny matematika ampiharina.
Ny tanjona amin’izany :
• Fanovana ny boky sy ny fitaovam-pampianarana mifanaraka amin’ny fandaharampianarana
vaovao,
•Fanajana ny fitsinjarana “ankizy iray, boky iray”,
•Fampitomboana ny fampiasan’ny ankizy ny boky fianarana,
•Famatsiana boky famakian-teny fanampiny amin’ny teny Malagasy sy Frantsay ho
an’ny taona faha 6 sy faha 7 : lohateny 15 ka hatramin’ny 20 isaky ny taona ianarana ary boky 1 (tsy mifidy lohateny) isaky ny ankizy,
•Famatsiana fitaovam-pampianarana fanampiny ho an’ny taranja Matematika,
•Fanatsarana ny fitantanana ny fitaovam-pampianarana eny anivon’ny sekoly.

CALENDRIER SCOLAIRE Tanjona :

•Hanova miandalana sy hanatsara ny calendrier scolaire mba hampitomboana ny
fotoana tena ianaran’ny mpianatra
Fanamarinana :
Tsy ampy ny fotoana ianaran’ny mpianatra vokatry ny :
• Loza voajanahary (rivo-doza, tondra-drano...)
• Fotoanan’ny maitso ahitra
• Vanim-potoanan’ny orana
• Faharatsian’ny làlana
Tetikady :
•Fanovana miandalana ny tetiandron’ny fanabeazana
•Fanatanterahana fakan-kevitra any amin’ny faritra
Tanjaka :
•Manova miandalana ny taom-pianarana misabaka amina taona sivily roa (oh. : 2007-2008) ho amin’ny taona sivily tokana (ohatra : 2008)
•Ampifanandrifiana amin’ny fidiran’ny oniversite ny faran’ny taom-pianarana
Calendrier scolaire :
•Fidiran’ny Mpandraharaha : 08 septambra 2008
•Fidiran’ny Mpampianatra : 15 septambra 2008
•Fidiran’ny Mpianatra : 22 septambra 2008

  

FANAPAHAN-KEVITRA HAFA

•Toeram-pisakafoana an-tsekoly
•Fanabeazana mampiaty : ao an-tsekoly dia misy ny fikarakarana fototra handraisana
ireo ankizy mila fikarakarana manokana, manana fahasembanana ohatra, hahafahany mianatra miaraka amin’ny ankizy rehetra
•Fanofanana ampitain-davitra
•Famolavolana tetikady ho an’ny filana manokana (oh. Fanabeazana hanenjehana ny
fahatarana nateraky ny rivodoza).

FIOMBONANA ANTOKA EO AMIN’NY FANJAKANA SY NY SEHATRA TSY MIANKINA

Ny sehatry ny fanabeazana tsy miankina dia mpiombona antoka manan-danja eo amin’ny
fanovana.
Ifanarahana ny anjara asan’ny tsirairay ary afaka miombona antoka tanteraka amin’ny
MEN, ny CISCO sy ny vondron’olona ifotony ny sehatry ny sekoly tsy miankina amin’ny
lafiny rehetra :
• Manombana sy mitrandraka ny isan’ny Mpampianatra rehetra manana fahazoandàlana
hampianatra omena fanampiana (EPP, CEG, LYCEE) ; ny sekoly mila
fanampiana ho fanamaivanana ny vesatry ny ray aman-dreny (sarampianarana tsy mihoatra ny 800 Ariary) ary ny sekoly mangataka fanampiana ara-bola hitsinjovana ny fampitomboana ny efitranon-tsekoly, ny kalitao ary fitsinjovana ny fianakaviana sahirana,
•Fidirana amin’ny tambanjotry ny Kôlejy Filamatra,
•Fametrahana ny Sekoly Misokatra,
•Fanontana boky fianarana,
•Fanofanana ny mpampianatra,
… Ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina dia mitondra fiombonana antoka mahomby, miaraka amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao izay hiteraka tombontsoa ho an’ny mpiray antoka.

 

 
 
Copyright 2008 By Kboss Studio - Média Ressources