|
Misy lafiny roa lehibe ny ezaka fanamafisana ny rafi-pitondrana : • Ny fanamafisana ny fifandraisana anatiny sy ivelany mba hampitovy ny fanetsehana ny fahaizana sy fahaiza-manao rehetra misy, • Ny fanatsarana ny fomba fiasa mba hahazoana fahombiazana, ny fahamarinampototry ny asa atao, ny fahaiza-mitantana ny fanovana ary ny fanajana ny tontolo manodidina. Ny fanamafisana ny rafi-pitondrana dia mikendry ny fanatsarana ny fahaizamanaon’ireo tarika samihafa voakasiky ny fanatanterahana ny EPT eo amin’ny lafiny : • Fanomanana drafitrasa mirindra araka ny tanjona hotratrarina, miaraka amin’ny famaritana mazava ny asa, ny fitsinjarana ny tetibola isaky ny asa (tetibolampanjakana na ny tahiry fanampiny azo avy amin’ny mpiray antoka), •Famaritana ny tondrom-bokatra, •Fanatanterahana ny drafitrasa araka ny tetibola sy ny fe-potoana voatondro, •Fanombanana ny asa vita manoloana ny tanjona napetraka.
Ny tetikady sy ny asa atao dia : • Fampahafantarana sy fanofanana ireo tarika samihafa momba ny andraikiny sy ny anjara asany, • Fanazavana ny fizotry ny asa : famaritana sy fanatanterahana ny drafitrasa isantaona (fanorenana sekoly, fanofanana ny mpampianatra, fandaharam-pianarana, famatsiana mpiasa sy vola ho an’ny sekoly), • Fanofanana amin’ny fanomanana sy fanatanterahana ny tetibola isan-taona, ny fanaraha-maso, • Fametrahana kitapom-bola hanampiana ny DREN sy ny CISCO ho amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaony eo amin’ny fanatanterahana ny drafitrasa isan-taona, •Fametrahana ny rafitra fanaraha-maso sy fanaovana tatitra ara-potoana, •Fanamafisana ny fahaiza-mitarika amin’ny ambaratonga rehetra. Tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny rafi-pitondrana koa ny fanamafisana ireo foibem-panofanana samihafa (INFP sy CRINFP), izany hoe : •Fanovana ny fandaminana ny foibe misahana ny fanofanana mpampianatra, •Fanamafisana ny foibem-panofanana amin’ny anjara asa maha mpamolavola ny fandaharam-pianarana sy fitaovam-panofanana ary amin’ny maha mpiantoka ny kalitao azy, • Fanitsiana ny satan’ny CRINFP mba hahafahany mizaka tena, mampiroborobo ny fanofanana akaiky ampandraisana anjara ireo rafitra isan-tsokajiny toy ny DREN, CRINFP, CISCO, ZAP sy ireo mpandraharaha tsy miankina, ary mba hampitomboana ny fahefan’ireo CRINFP mandray mpiofana.
|